Please enable JavaScript.
Coggle requires JavaScript to display documents.
FAMANTARANA NY SOKAJIN-DAHATSORATRA SY NY POROFO, Fait par Rabemanantsoa…
FAMANTARANA NY SOKAJIN-DAHATSORATRA SY NY POROFO
Lahatsoratra 1 (MANDRESY LAHATRA)
Mampiasa ny mpisolo tena : Mampiasa ny mpisolo tena amin'ny endrika "-ntsika" (manambara fa tafiditra ao ny mpamaky).
Filaza mandidy mirary : Mampiasa ny teny "tokony" (manentana, manoro hevitra amin'ny tokony hatao).
Mitaona ny mpamaky : Mikendry ny hanaraka ny hevitry ny mpanoratra (izay miantso ny firaisan-kina ho vahaolana).
Ahitana ny tsangan-kevitra : Mamelabelatra ny hevitra fa mora ketraka ny Malagasy.
Lahatsoratra 2 (MANDRESY LAHATRA)
Mitaona sy manentana : Mikendry ny hanova ny toe-tsaina amin'ny fiverenana amin'ny fomba tsara.
Manazava ny antony sy ny vokany : Mametraka ny olana amin'ny endrika fanontaniana (Fa ahoana?) ary mamakafaka ny tsy fandrosoana.
Filaza mandidy mirary : Manoro fa ny "fahavononana sy fahamarinana no tokony hifampiankinana".
Ahitana an'ireo voambolana manazava : Mampiasa ny mpampitohy "Noho izany" (manambara vahaolana na fehin-kevitra).
Lahatsoratra 3 (MITANTARA)
Ny mpandray anjara : Misy olona voaresaka, dia "i Malagasy sy ny firenenany".
Ahitana filazam-potona lasa : Mampiasa ny matoanteny mitory zavatra efa nitranga: "nanana, niala, tapaka".
Voambolana milaza fotoana lasa : Mampiasa ny teny "Fony" (milaza fotoana lasa ela).
Toe-javatra tantaraina : Mitantara ny fiovana sy ny fisarahana teo amin'ny fiainan'i Malagasy sy ny taranany.
Lahatsoratra 4 (MANDRESY LAHATRA)
Filaza mandidy manery : Mampiasa ny andianteny "tsy maintsy miara-mientana" (manery amin'ny zavatra tsy maintsy atao).
Ahitana ny andian-teny fanamafisan-kevitra : Manamafy fa ny zavatra ilaina dia ny fahaizana mifampiantso sy ny fahavononana.
Mampiasa ny mpisolo tena : Mampiasa ny mpisolo tena "isika" (manentana ny fiaraha-miasa).
Mivelatra manazava olana : Mamakafaka ny toetra ratsy toy ny "petsapetsa sy ny fanenjehana" izay manakantsakana ny fandrosoana.
Fait par Rabemanantsoa Rptsy , N°5 3eB et Ranjakosoa Dimbitsara Ivontsoa Kristie , N°20 3eB